Propithecus Verreauxi

Sifaka na koa Propithecus Verreauxi

Sifaka ou Propithecus verreauxi
Propithecus Verreauxi

Sao mba izao ary no fotoana tsara tokony handehananao mijery ireto zavaboahary tsy hita raha tsy eto amintsika ireto?

111 karazana ireo Ragidro hita eto Madagasikara. Firy amin’izy ireo no efa mba hitanao?


Olona maherin’ny 200.000 (Roa hetsy) isan-taona avy amin’ny firenena lavitra no tonga mitsidika an’i Madagasikara hijery azy ireo. Maro amin’izy ireny anefa no ahiana ho lany tamingana noho ny fahasimban’ny ala ivelomany vokatry ny doro tanety, tavy, fitrandrahana ny ala, fanaovana charbon sns…


Iray amin’izy ireo ity karazan’na Sifaka antsoina Propithecus Verreauxi (Sifa-bilany hoy ny Bara) ; izay tsy hita hafa tsy any anatin’ireo ala amin’ny faritra atsimo sy atsimo andrefana.


Mbola misy firy taona no mety ho hita izy ireo? Asa lahy!


Andao hiaraka aminay fa sady mialavoly no mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana…