Couché de soleil et la Fenêtre de l’Isalo

Couché de soleil à la Fenêtre naturelle de l'Isalo

Isalo natural window
Le couché de soleil à la fenêtre de l'Isalo

Azo tanterahina tsara ao anatin’ny weekend iray ny nofinofinao ho eto amin’ity toerana mahafinaritra ity

Fa Fa aiza tsara moa no misy azy ity e? 

Ity rindrim-bato antsoina hoe fenêtre de l’Isalo ity dia iray amin’ireo sary sikotra natoraly maro ao anatin’ny parka Isalo toy ireny Reine de de l’Isalo, botte de l’Isalo …..

Vahiny maro avy amin’ny firenena samihafa ivelan’i Madagasikara no tonga eto ary dia miandry amim-pitoniana. Tsy hoe akory miandry olona malaza na sanatria miandry an’i Paoly fa miandry ny masoandro mody. Izay ilay hoe manao couché de soleil any amin’ny fenêtre Isalo ka ilay taramasoandro malefaka sy mena midorehitra iny manome hazavana mahafinaritra rehefa tazanina avy aty andanin’ity vato ity. Indraindray aza iadiana mihitsy ny mba hahazo sary eto amin’ity toerana ity. Fa nahoana loatra hoy ianao?

Andao hiaraka aminay hanao weekend any Isalo fa ho tanteraka ny nofinao!